Miarahaba anareo amin'ny anaran'i Jesosy. Ary miarahaba anareo koa nahatratra ny taona vaovao 2011. Hitondra soa sy fanambinana ho antsika rehetra anie ity taona vao nodiavina ity.
Toy izao ny vaovao azo omena amin'ity taona ity.
Feno 20 taona tamin'ny taona 2010 lasa iny ny Fivondronantsika faha 107 eto amin'ny FLM 67HA. Noho antony maro, dia amin'ity taona 2011 ity izany vao nankalazaina. Vita tamin'ny Alahady 09 janoary teo ny fanokafana ary narahana fanekena mpiandraikitra sy fanolorana Tonia Tily izany. Maromaro ihany ireo nanolotena hanabe ny zandrikelin'i Jesosy koa mangataka anareo hitondra am-bavaka azy ireo hahatontosany izany andraikitra lehibe hiatsorohany izany. Ireo avy ireo mpiandrandraiktra nanao fanekena.
ho an'ny Mpanazava :
MAITSO
- SOAFILIRA Rosanne La Princesse (Simpony Mitandro)
-RAZAFIARINORO Clarisse
- RATOBIMIARANA Rindra Harisoa Bakovololona
ho an'ny Tily :
MAVO
- RAKOTOZANDRINY Dolamiora Seheno
MAITSO
- RAKOTOANDRIANASOLO Dieudonné (ENJY Fitoky)
- RANDRIANASOLO Hery Philippe
MENA
- SALEH Michel ( DREDRIKA Mitarika)
MENAFIFY
- IANDONIAINA Fetra
- ANDRIATAHINA Jean
Natolotra Tonia :
TSIRINIAINA Louis Yves
Ny teny faneva amin'ny fankalazana ny faha 20 taona ity dia nalaina taoamin'ny III Jaona 3a - 4b " FALY INDRINDRA AHO... FA MANDEHA AMIN'NY FAHAMARINANA NY ZANAKO"
KILANDY Mamika no nanao ny hira faneva izay mitondra ny lohateny hoe "FILAMATRA"
AKITRA Marisika.